- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversSoanierana : Ramatoa mpatory amoron-dalana, maty nodomin’ny 4X4

Soanierana : Ramatoa mpatory amoron-dalana, maty nodomin’ny 4X4

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Soanierana ny alin’ny alarobia lasa teo. Fiara tsy mataho-dalana iray no nandona fiara kely, avy eo nifatratra teny amin’ny ramatoa lehibe iray, irony olona tsy manan-kialofana, matory amoron-dalana irony. Maty tsy tra-drano ity farany, naratra mafy ihany koa ilay mpamily an’ilay fiara voadona. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo no niseho ity loza ity, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Ireto farany, izay nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fitsirihana. “Fiara tsy mataho-dalana 4×4 iray avy any Andrefan’Ambohijanahary hizotra ho any amin’ny rond point Soanierana Gastro Pizza, nentin’ny olona mamo no nandona fiara Renault izay niantsona niaraka tamin’ny mpamily teo amin’ny sisin-dalana. Fantatra fa niala tamin’ilay fiara tsy mataho-dalana ny kodiarany havanana ary nandona vehivavy iray 50 taona nipetraka teo amin’ny sisin-dalana ka nitarika ny fahafatesany avy hatrany”, hoy ny vaovao azo. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ilay mpamily nahavanon-doza, izay mbola ao anatin’ny fahamamoana tanteraka, raha ny vaovao azo hatrany. Ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy kosa dia efa nentina nihazo ny tranom-patin’ny hôpitaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici