Anisan’ny nofy ratsin’ireo mpitondra fiara rehetra ity vaky fiara etsy sy eroa ity. Tsy mifidy harapaka intsony mantsy ireo tontakely fa izay sendra azy, fiara sendra miantso eny amoron-dalana, na be mpandalo io na amin’ny mangingina dia efa avy ry tsivanona. Toy ity nitranga tetsy Soavimasoandro ny andron’ny talata teo. Tsy tahotra tsy henatra ny an’ity rangahy iray 46 taona fa dia niditra tsy tamin’ahiahy tao amin’ilay fiara Sprinter nijanona teo Amboditanimena ingahy ary niezaka nanongotra ny “auto radio” an’ilay fiara. Marihana fa toerana isan’ny be olona raha iny faritr’i “Soleil” iny, indrindra fa ny eo Amboditanimena, izay sady fiantsonan’ny taxibe no be tsena kanefa tsy nahasakana an’ingahy tsy hanao ny asa ratsiny mihitsy. Soa ihany moa fa nisy nahatsikaritra ingahy ary nampandre haingana ny polisy. Ireto farany rahateo ihany koa tsy lavitra fa mihodina manao fisafoana eraky ny elakelan-trano iny, ao anatin’ny ady amin’ny halatra isan-karazany. Tonga haingana teny an-toerana araka izany izy ireo ary mbola nahatratra an’ingahy somokitra dia somokitra teo am-panongotana ilay zavatra ho hangalariny. Noraisim-potsiny tsy afa-niala intsony izy ary niaiky fa tena hangalatra no anton-diany. Nosamborina moa dia nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana. Notanana natao andrimaso aloha, mialoha ny hanolorana ny raharaha eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




