- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Raim-pianakaviana « nikapoka » ny zanany, nosamborin’ny pôlisy

Soavimasoandro : Raim-pianakaviana « nikapoka » ny zanany, nosamborin’ny pôlisy

Nampanaovina paompy, nokapohina sy nohenjehina tamin’ny kifafa, avy eo indray novelesina tamin’ny hazo … Vetivety dia niparitaka toy ny tsy teo tokoka ilay horonantsary nalain’olona tetsy Soavimasoandro, maneho « herisetra nianjady tamina zaza tsy ampy taona », naparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy ary tonga teo ambany masona fikambanana iray sy ireo mpitandro filaminana. Ny mikapoka sa ny namono (arakaraka ny fomba fijery) dia ny rainy ary ny hianjadin’izany dia ny zanany naterany. Nosamborina avy hatrany moa ilay raim-pianakaviana.

« Lehilahy tsy vanona ! » Saika io avokoa angamba ny teny am-bavan’ny rehetra, ho an’ireo mpikirakira tambazotra sosialy Facebook, omaly raha nahita ilay horonantsary naparitaka olona iray monina eny Soavimasoandro eny, mirakitra ny fiainan’ny mpiray vodirindrina aminy. Ny votoatin’ilay horonantsary : lehilahy iray, tokony ho 40 taona mahery any ho any, manampatra ny heriny amina zazalahy iray tokony ho 11 taona eo. Novelesina tamin’ny tahon-kifafa ilay zaza, ary nifanenjehana eran’ny tokontany sy hatrany an-trano. Nitsoaka saingy tao anatin’izay fitsoahany izay no nianjera avy eny amina lavarangana. Saingy mbola notsenain’ilay lehilahy avy ato ambany tamin’ny alalan’ny vely tahon-kifafa ihany. Marihana fa naratra vokatr’izay toe-javatra izay ilay zaza ary nentina notsaboina haingana tany amin’ny mpitsabo. Tsy nisy nipika ny tranga rehetra. Ho an’izay nahita, na ny teny an-toerana na ireo nijery horontsary dia samy nameloka ity lehilahy ity avokoa ary samy niantso mpitandro filaminana sy nidradradra zon’ny ankizy avokoa ary ireo fikambanana mpiahy azy ireny. Ny feo niely taorian’io no nahafantarana fa ilay lehilahy dia tsy iza akory fa rain’ilay zaza « novonoina » ihany. Taorian’ny nahatongavan’izany horonantsary izany teny ambany mason’ireo mpitandro filamanana sy fikambanana iray dia nosamborina avy hatrany ity raim-pianakaviana ity ary nentina natao fanadihadiana etsy Tsaralalàna. Nandray an-tanana ny raharaha amin’ny fanadihadiana moa ny pôlisy misahana ny heloka mamoafady sy fiarovana ny zaza tsy ampy taona ary ireo polisy avy ao amin’ny BFP.

« Voasazy ! ». Araka ny fanadihadianay teny an-toerana dia zazalahy kely mianatra amina sekoly tsy miankina iray eo Alarobia ity zaza nianjadian’ny herisetra ity ao amin’ny kilasy fahenina. Araka ny fitantaran’ireo mpiara-mianatra aminy dia toa hoe voasazy izy tany am-pianarana. « Sazy izay nampiato ny fandehanany any am-pianarana mandritry ny telo andro noho ny ditra nataony tany » raha ny fitantaran’izy ireo hatrany. Heverina araka izany fa mety ho izay toe-javatra izay no nahatezitra  sy nampisafaoka ilay raim-pianakaviana ka nahavitàny fihetsika tsy voahevitra tahak’izao. Ary na dia nolazain’ny Ntaolo aza hoe « ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo » ny an’ity ray ity dia efa tena tsy voahevitra loatra. Satria dia mety ho izay tranga « kely » izay no  hanapotehana tanteraka ny fiainan’ny ankohonany iray manontolo. Misy sasantsany amin’ireo olona ihany mantsy no nieritreritra fa hoe « raha hidoboka am-ponja, eny fa na dia ho vonjimaika aza ilay raim-pianakaviana dia hanao ahoana ny fianain’ireto fianakaviana ireto ? Indrindra fa ireo zaza amin’izao fety ho avy izao sy ny fiainany manaraka rehetra ? Iza no hanampy azy ireto fianakaviana ireto ? ». Raha ny fantatra teny an-toerana hatrany moa dia voalaza fa manan-janaka telo mirahalahy ity raim-pianakaviana ary ilay eo am-povoany ity hita « voakapoka mafy » ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici