- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Asan-dahalo, olona telo lasa takalonaina, miaramila iray maty

Soavinandriana : Asan-dahalo, olona telo lasa takalonaina, miaramila iray maty

Dahalo mahery ny efapolo lahy teo no tonga nanafika ny tananan’i Tsiambalimamo, ao amin’ny fokontany Ambatolampikely, any amin’ny kaominina Tamponala, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, miaramila iray no lavo teny an-tanim-piadiana, olona telo lasan’ireo malaso natao takalonaina, ary omby an-jatony no very. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, nifarimbonan’ny zandary sy ny miaramila. Nifampizara ireto mpitandro filaminana ka nisy ny nanara-dia, niaraka tamin’ny fokonolona, nisy kosa ireo nasaina niambina ny làlana tsy maintsy hizoran’ireo dahalo mitondra ny omby, dia tao amin’ny kizo tao Betohana, ao amin’ny distrikan’i Mandoto. Vokatr’izay, avotra soa aman-tsara ireo olona lasa takalonaina, saingy tsy nety latsaka kosa ny omby. Nisy araka izany ny fifandonana mahery vaika teo amin’ireo olon-dratsy sy ireo miaramila natao hiambina an’ilay kizo. Tamin’io fotoana io no nahalavo ilay miaramila iray, nitondra ny grady, “sergent”. Mbola mitohy araka ny fanarahan-dia any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici