- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Ben’ny tanàna voatafika tamina tsipoapoaka

Soavinandriana : Ben’ny tanàna voatafika tamina tsipoapoaka

Mirongatra ny asan-jiolahy any amin’iny faritra Itasy iny. Ny alatsinainy lasa teo, ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Londona, ao amin’ny distrika Soavinandriana Itasy no notafihana jiolahy dimy lahy tao an-tokantranony. Lasa tamin’izany ny lelavola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo ho eo, niampy fitaovana sarobidy maromaro. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo ho eo no niseho ity fanafihana ity. Zava-maranitra isan-karazany no nentin’ireo jiolahy, niditra an-keriny tao amin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy naheno ihany anefa ny fidiran’izy ireo tao amin’Ingahy maire, ka nirohotra ny olona saika hamonjy. Tamin’izay fotoana izay anefa no nirefodrefotra ny … tsipoapoaka. Namonjy ny ainy niparitaka avokoa ireo olona rehetra. Nihevitra fa basy no teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Afaka nanaram-po tamin’ny asa ratsiny tamin’izay ireto dimilahy, rehefa tsy nisy afaka namonjy intsony ny tompon-trano. Ity farany izay tsy afaka nanao na inona na inona intsony fa dia nanaiky sy nanome izay notadiavin’ireo jiolahy. Fitaovana eletrônika sarobidy niampy ilay lelavola tao an-tranon’Ingahy ben’ny tanàna no lasan’izy ireo. Fotoana vitsy ihany anefa no nanantanterahan’izy ireo ny “operation” ary rifatra nitsoaka. Taorian’izay vao afaka nampandre ireo mpitandro filaminana ireo voatafika. Tonga teny an-toerana iretsy voalohany saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy. Efa natao ihany ny savahao teo an-tanàna fa tsy nisy vokany. Ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana no nahafantarana fa nizotra nihazo ny faritr’i Faratsiho iny izy ireo. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, mandeha ihany koa ny fikarohana ireto jiolahy ireto. Marihina fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity fanafihana ity. Tsy nisy naninona ihany koa ireo voatafika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici