Dahalo telo avy nangalatra omby tao amin’ny kaominina Ankisabe, any amin’ny distrika Soavinandriana, no maty voatifitry ny miaramila nandritra ny fanarahan-dia nataon’ireto farany, ny 24 septambra lasa teo tokony tamin’ny 09 ora sy 45 minitra. Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia omby roa(02) no nisy naka an-tsokosoko tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ankerana, ny alin’ny 21 hifoha 22 septambra lasa teo. Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia nataon’ireo miaramila avy amin’ny DAS miasa ao amin’io tanàna io dia lehilahy iray monina ao Maizinandro, fokontany Analamira, kaominina Maroharona no fantatra fa isan’ny nandray anjara tamin’io halatra io. Rehefa nosamborina ity lehilahy ity dia nanondro ny namany mpiray tsikombakomba taminy izay voasambotra ihany koa avy eo. Nandritra ny fitondrana azy ireo hamonjy ny zandary anefa dia nitsoaka tampoka ireto jiolahy. Raikitra ny fanenjehana ka rehefa nanakaiky ny fokontany Ankijanandrainiba dia niezaka nampijanona azy ireo tamin’ny tifidanitra ireo miaramila fa tsy nisy vokany izany. Manoloana izany dia voatery nitifitra azy telo lahy ny miaramila izay nampian’ny fokonolona. Maty tsy tra-drano noho izany ireto dahalo ireto. Tao aorian’ny fizahana ny razana nataon’ny zandary avy ao Soavinandriana dia nalevin’ny fokonolona tao Ankianjandrainiba io 24 septambra io ihany ny razana. Mbola mitohy hatrany anefa ny famotorana izay iandraiketan’ny zandary avy ao Soavinandriana.
T.M