- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana Itasy : Jiolahy avy nanafika, matin’ny fitsaram-bahoaka

Soavinandriana Itasy : Jiolahy avy nanafika, matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy tratrany ireo olon-dratsy avy nanafika fivarotana iray tany amin’iny faritra Soavinandriana Itasy iny, omaly. Dimy tamin’ireo jiolahy nanafika no voasambotra, raha nanamparan’ny hatezeran’ireo nahatratra azy ireo kosa ny iray, izay maty tsy tra-drano. Omaly vao maraina mantsy, dia mpivarotra iray no lasibatry ny asan-jiolahy tao Antanetibe. Vola mitentina eo amin’ny 20 tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy. Ary tsy vitan’izay fa mbola nodarohan’izy ireo ny tompon-trano izay naratra mafy tokoa. Afaka niantso vonjy ihany anefa ity farany ary rifatra nanenjika avy hatrany ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra dia ireo tratra ireo ny dimy tamin’ireo nanafika, raha tafaporitsaka kosa ny namany sasany. Asa  raha mbola nitady ny hanohitra ihany ity farany, fa tsy nisalasala mihitsy ireto mponina leo ny afitsok’ireto olon-dratsy fa dia nidaroka sy namono ary dia io niafara tamin’ny fahatesany io. Efa voasambotra moa ireo olon-dratsy ireto vao nisy nampandre ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana izy ireo, ary nalefa any amin’ny tranom-paty kosa ilay jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka. Efa eo an-dalam-pikarohana ireo namany tafatsoaka hafa moa ireto mpitandro filaminana ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici