- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSoavinandriana Itasy : Lehilahy nanolana zaza efa-taona tao amin’ny fitombenany

Soavinandriana Itasy : Lehilahy nanolana zaza efa-taona tao amin’ny fitombenany

Lehilahy 38 taona no nahavanon-doza, efa raim-pianakaviana. Olona izay noraisin’ity zazakely ity ho zokilahiny. Araka ny angom-baovao azo dia tsy nahatanty ny nahita an’ity ankizivavikely ity niboridana ingahy ka rafitra nametaveta azy avy hatrany.

Tranga niseho ny herinandro lasa teo, tany amin’iny distrikan’i Soavinandriana Itasy iny. Araka ny nambaran’ny renin’ny zaza, tamin’ny fitoriana izay napetrany tao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy tao Soavinandriana dia niharan’ny fanolanana ny zanany vavikely, izay vao efa-taona monja. Fantany tsara ary olona mifankahafatatra amin’izy ireo no voalazany tamin’izany fa nahavanon-doza. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo tompon’andraikitry ny filaminana, eo ambany fitarihan’ny lehiben’ny kaomisaria, Officier de police Razanajatovo Tsiorinirina, ary niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ilay nahavanon-doza, taorian’ny fanamarinana ny zava-misy sy ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo an’ilay zaza. Raha fanamarinana nentin’ireo mpitsabo dia tsy voakitika ny mahavehivavy azy, saingy kosa, simba ny tao amin’ny lavaky ny fitombenan’ilay zaza.

Azo lazaina fa mpihavana somary lavitra saingy mifandray tanteraka na ilay nahavanon-doza, na ny ray aman-drenin’ilay zaza lasibatra. Ilay zaza aza moa miantso an’ity tsy valahara ity ho zokiny, raha ny vaovao hatrany. Tamin’io fotoana io dia niaraka nandeha niady vomanga no nialàn’izy ireo tao an-trano. Kanjo nony handeha hody ny hariva no nitsiry tampoka ny hevi-dratsin’ilay rangahy, ary nanatanteraka ny filan-dratsiny tao amin’ny trano iray, efa tsy nisy nipetraka intsony teo am-povoan-tanana. Tsy nahavita hatramin’ny farany ny zava-dratsy nataony moa ity farany saingy na izany efa potika ihany ilay zaza. Niaiky tanteraka ny heloka nataony moa ingahirainy nandritry ny fakàna am-bavany azy. Androany no fantatra fa hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha, ary azo heverina fa tsy hisalasalàna ny fanapaha-kevitr’ireo mpitsara ny hampiditra azy am-ponja.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici