- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Tovolahy 24 taona nanolana vaviantitra 70 taona

Soavinandriana : Tovolahy 24 taona nanolana vaviantitra 70 taona

Ilay tovolahy nanolana.

Voasambotry ny polisy ny tovolahy 24 taona nanolana vavy antitra 70 taona tany Ampitsaharana Soavinandriana Itasy, afakomaly. Niditra an-tsokosoko tao an-tranon’ilay vavy antitra izy io tamin’izany tamin’ny 2 ora maraina ary avy hatrany dia notolominy teo am-pandriana ilay ramatoa, araka ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Norahonany hovonoina raha miantso vonjy araka ny fitantaran’ilay ramatoa lehibe izay nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Araka izany, nentin’ny tahotra ilay ramatoabe ka nanaiky izay nataon’ilay tovolahy. Rehefa vita ny nataony dia lasa ilay mpanolana sady mbola nandrahona sy namepetra mba tsy hilaza ity zavatra nataony. Mazava ho azy, fantatr’ilay vaviantitra izy io ka nametrahany fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia voasambotra ilay mpanolana. Niaiky ny heloka nataony izy io. Naiditra am-ponja vonjimaika ity tovolahy ity taorian’ny niakarany fampanaoavana. Trangan-javatra mahazo vahana ao Soavinandriana ao ity resaka fanolanana ity. Vao andro vitsy monja no nisehoan’izany, ka nisamborana raim-pianakaviana nanolana ny zanany sembana. Nanararaotra ny fahalemen’ilay zaza izy io, kanefa sarona ihany rehefa ela ny ela. Efa any am-ponja moa ilay ray nahavanon-doza. Vao haingana ihany koa ny tovolahy iray nahavita nanolana ankizy tsy ampy taona tany an-toerana ihany. Efa saika niharan’ny fitsarambahoaka izy io tamin’izany. Asa na noho ny antony inona loatra mahatonga ireo lehilahy any an-toerana mahavanon-doza. Raha ny sarangam-piainan’ireo olona ireo dia voalaza fa sahirana avokoa. Mety ho noho izany fahasahiranana izany no mitarika azy ireo hanao izany. Andaniny anefa eo ihany koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ka matetika olona mandray izany no mahavita manolana. Misy ady atao amin’ny fanolanana fa eo ihany koa ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Ity farany izay tena miparitaka tanteraka. Ireo tanora no tena lasibatra izay mitarika azy ireo hanaotao foana. Anatin’ny ady mangotraka ny mpitandro filaminana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici