- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavinimerina : Moto nifandona, lehilahy iray tapa-tongotra nikirazorazo

Soavinimerina : Moto nifandona, lehilahy iray tapa-tongotra nikirazorazo

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo teny amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, teo amin’ny Pk13+200, toerana antsoina hoe Soavinimerina, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano. Kodiaran-droa no nifandona. Moto izay samy nandeha mafy kanefa samy tsy nisy jiro. Vokany, samy naratra ireo mpitondra moto saingy ny iray no voa mafy. Tapaka nikirazorazo tanteraka ny tongony.

Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tsy nisy ady hevitra fa tsy fitandremana teo amin’ny roa tonta, niaraka tamin’ny tsy fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no antony nahatonga ny loza. Raha ny vaovao azo mantsy dia samy nandeha mafy izy ireo. Ampahan-dalana mahitsy rahateo raha iny eo Soavinimerina iny. Ny olana anefa dia samy tsy nisy jiro nanazava ny lalana  izy ireo tamin’izany kanefa efa maizina ihany izany andro izany. Tsy tana mihitsy araka izany ny loza ary izao niafara tamin’ny ratra goavana nahazo ny roa tonta izao. Potika ihany koa ireo kodiaran-droa nifandona. Nentina novonjena avy hatrany teny amin’ny hopitaly Anosy Avaratra moa ireo naratra. Nanokatra ny fanadihadiana kosa tetsy an-daniny izay ny zandary.

Tsy vao izao tokoa no nisian’ny loza mahatsiravina teo amin’iny faritra iny. Ary saika moto foana no tafiditra ao anatin’izany. Ny antony, mahitsy dia mahitsy ilay lalana kanefa miafara amin’ny fiviliana izay tsy ahitàna velively ny ao aloha. Manana fahazaran-dratsy handeha mafy araka izany ireo mpitondra moto ary tsy misy fitandremana ny hafa mihitsy. Indrindra moa fa rehefa faran’ny herinandro iny, satria dia manampy trotraka ny zava-misy ny toerana fisotroana tsy lavitra eo. Izay toe-javatra izay no tokony hojeren’ireo tompon’andraikitra akaiky raha tiana tsy hisy intsony ny rà mandriaka amin’iny lalam-pirenena iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici