Notsaraina teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ny raharaha Soeur Fabiola omaly. Fisolokiana sy famitahana mpivavaka tao amin’ny fiangonana misy azy no iampangana ity mpitondra fivavahana ity. Nangataka ny hamoahana azy vonjimaika ny mpisolovava azy. Tsy nankatoavin’ny fitsarana anefa izany. Hatreto aloha dia mbola miverina any am-ponja ity ramatoa, izay nambara fa efa maty indroa ka tafatsanga-ko velona foana ity, mandra-pivoaka ny didy mifanohitra amin’izany. Raha tsiahivina ny fiampangana an’i Soeur Fabiola dia fandresen-dahatra ny mpivavaka hanary sy handoro ny fananan’izy ireo no antony nitoriana azy. Araka ny fitantaran’ny mpitory dia nambaran’ity mpitondra fivavahana ity sy ny pastora namany fa fanaka voahozona daholo ny fanaka ao an-tokatranony. Raha te hahazo ny fanjakan’ny lanitra, noho izany, dia mila mandoro ireo fanaka ireo. Nampanantena, hoy izy, i Soeur Fabiola sy ny namany fa hisy fanaka 12 taonina hilatsaka avy any an-danitra raha manary ireo fanaka voahozona ireo izahay. Resy lahatra tamin’izany ireto mpivavaka dia nanome an’ity ramatoa efa nilaza fa “nahita ny lanitra” ity sy ny pastora namany ny fananany hoentina hodorana. Taty aoriana dia fantatra, araka ny filazan’ny mpitory, fa tsy nentin’izy ireo nodorana ny fanaka naterina tany amin’ireto mpitondra fivavahana ireto fa namidin’izy ireo. Nanapa-kevitra ny hitory an’i Soeur Fabiola, noho izany, ny ramatoa mpivavaka iray. Nambarany ihany koa fa hatramin’izao dia mbola tsy hita ny 12 taonina nampanantenana azy ireo. Mpivady iray hafa ihany koa no nanamafy ny fisolokiana nataon’i Soeur Fabiola ary nametraka ny fitoriany omaly. Mpivavaka roa samihafa no mitory azy hatreto. Ny 26 novambra ho avy izao no hanambarana ny didy mikasika ity raharaha ity.
Narindra (Stagiaire)




