- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversSofia : Maty voatifitry i Lekoera , jiolahy mpamerin-keloka

Sofia : Maty voatifitry i Lekoera , jiolahy mpamerin-keloka

Nihena iray ny olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana  nampihorohoro ny mponina  tany Antohibe, faritr’i Sofia. Jiolahy iray, fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera  no lavon’ny balan’ireo zandary tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo . Nikasa handositra itsy farany no izao maty voatifitra izao raha araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Naharay antso ny komandin’ny tombim-paritra Antohibe ny 30 Mey ,tokony ho tamin’ny 5 ora maraina fa tratra tao Antsahamala , i Lekoera taorian’ny fanafihana nahaverezana vola  4 tapitrisa ariary .  Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary . Nandritra izany no nilazany fa nandray anjara tamin’io fanafihana io ary vonona hanoro ny misy ireo namany. Kanjo rehefa teny an-dalana dia nikasa  handositra itsy farany. Niezaka nampitandrina azy ny mpitandro filamianna mba hijanona tsy misy hatakandro saingy notohizany ihany ny lalany. Voatery nampiasa ny basiny ny zandary noho izany  ka izao nitarika ny fahafatesany izao.

Voalaza fa efa mpamerin-keloka ary ikohizana amin’ny fanafihana miaro vono olona  ity olon-dratsy ity. Nandray anjara tamin’ny fanafihana nahafatesana mpandraharaha iray tany Antantiloky io jiolahy io raha araka ny fampitam-baovao hatrany. Fantatra  ihany koa fa efa nigadra ny taona 2022 . Niverina nigadra indray ny taona 2024 rehefa voarohiroy tamina fanafihana mitam-piadiana. Ary mpikambana mavitrika ao amin’ny « Groupe de Bandit Telma » , izay mampivondrona ireo jiolahy mpanao fanafihana any an-toerana. Efa andalam-pikarohana ny namany izay voatonona nandritra ny fanadihadiana  ireo mpitandro filaminana any an-toerana .

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici