- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Soirée privée » : Mikorotan-tsaina ny ray aman-dreny

« Soirée privée » : Mikorotan-tsaina ny ray aman-dreny

Niteraka resa-be avy hatrany ny fisian’ny afisy tamin’ny tambajotra sosialy ; izay mahakasika ny fisian’ny alim-pandihizana ho an’ny olona voasivana, izay hotontosaina amin’ny asabotsy izao raha tsy lainga. Ny tena nampikorontan-tsaina, indrindra fa ireo ray aman-dreny izay manan-janaka vavy adolantsento, dia ny filazana tao anatin’ilay dokam-barotra fa : « tsy andoavam-bola ny rehetra indrindra fa ny alikaola ary azo atao avokoa izay rehetra tiana mandritr’ilay alina miavaka, hotazomina eo amin’ny fidirana ny finday, tsy mahazo mitondra ny sipany na koa ny olon-tiany ny vehivavy, tsy afaka miala ao amin’ny toerana raha tsy efa vita tanteraka ny fety, tsy mahazo miady ». Mbola voasoratra ao koa, fa izay rehetra atao mandritr’io alina io dia tsy mivoaka ao ary tsy tantaraina. Izany rehetra izany dia mampiahiahy avy hatrany, ny amin’izay mety hitranga ao. Indrindra koa, fa tsy ampitaina ho an’ny olona rehetra ny toerana ankoatra izay voafidy ihany. Ny fepetra amin’izany indray, dia ny sary no alefa amin’ny facebook ary eo no misafidy ny mpikarakara raha mety aminy na tsia ilay olona. Loza manambana ho an’ny vehivavy kely ity tranga ity, raha tena mitombina ary rariny loatra ny ray aman-dreny sy ny olona maro raha nifampizara ny pejy misy ilay dokam-barotra mba hanairana ny sain’ny olona. Misy hatramin’ny laharana finday ao anatin’ilay dokam-barotra ary inoana fa hanao ny asany faran’izay haingana ny sampana « cybercriminalité » ka hikaroka ny tompon’andraikitra amin’ity tranga izay miteraka fikorontanan-tsaina ity. Indrindra koa, miompana amin’ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona no tena isan’ny antom-pisian’izy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici