Hafa kely ary tsy fahita tao Analanjiroro tao anatin’ny taona maro, ny zava-nitranga tao an-toerana ny alatsinainy teo tao Fenerivo Atsinanana. Tsy nasian’ny mpiasan’ny fahasalamana mitokona ao an-toerana hasina intsony prefen’i Fenerivo Atsinanana solontenam-panjakana any an-toerana, sy ny ray aman-dreny avy amin’ny olon-kendry nahitana ny senatera teo aloha Impirina Jean De la Croix. Nampiantso ireo lohandoham-pisorona mitarika ny fitokonana izy ireo handinihana ny olona sy hamahana izany, fa tsy nisy namaly izany fiantsoana nataon’izy ireo izany ny mpitokona. Ny olana mantsy efa misy fiantraikany ny fahasalamanam-bahoaka ao Fenerivo Atsinanana ny fitokonan’ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto. Ny nahatonga ny olana efa ho iray volana izao ny fitakiana ny fametram-pialan’ny talem-paritry ny fahasalamana ao Analanjirofo, ary samy nanao izany fitakiana izany avokoa na ny distrikan’i Vavatenina – Soanierana Ivongo – Mananara Avaratra – Fenerivo Atsinanana; raha tsy nitokona kosa ny tao Maroantsetra. Nametraka mpisolo toerana dia ny medecin inspecteur tao Maroantsetra ny fanjakana, ary nalefa nanao congé aloha ilay talem-paritra. Tafaverina ny tenany ny 15 febroary teo, ary mbola naverin’ny ministera notendrena hatrany ho talem-paritra ny tenany. Izay no nahatonga ireo mpitokona raha tonga ny solon-tenan’ny ministera nampiantso azy ireo hifampiresaka, izahay tsy mila miresaka amin’iza amin’iza hoy ireo mpiasa mitokona. Koa rava maina ny dinika saika nataon’ny iraky ny minisitra tao Fenerivo Atsinanana mikasika ity talem-paritra ity.
Malala Didier