
Tranga mampalahelo no nitranga tao Ambatomitety, fokontany Antanetibe, distrikan’i Faratsiho, izay niafara tamin’ny fahafatesan-jaza vao iray volana. Nanjavona ny alin’ny zoma 31 jolay 2026 ilay zaza sy ny reniny, ka niteraka ahiahy sy fikarohana nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Hita ny alahady 2 aogositra 2026, tokony ho 30 metatra miala ny tranon’izy ireo, ny renim-pianakaviana sy ny zanany. Efa tsy nisy aina intsony anefa ilay zazakely, izay voalaza fa tao anatin’ny akanjon-dreniny. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena tao Faratsiho, mba hamantarana ny tena zava-nitranga sy ny antony nahafaty ilay zaza. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa nandeha tany amin’ny mpitsabo nentim-paharazana, na mpimasy, ilay renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany. Araka ny vaovao voaray, tao anatin’izany no nahatonga ny famonoana ilay zaza, izay voalaza fa natao sorona. Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia niaiky ny famonoana ilay zazakely ny reniny. Voalaza ihany koa fa nisy mpimasy iray nandray anjara tamin’ity raharaha ity, ary nisy ramatoa iray havan’ilay renim-pianakaviana nampifandray azy tamin’ilay mpimasy. Olona telo voakasika tamin’ity raharaha ity no natolotra ny Fampanoavana ny alarobia 12 aogositra 2026. Anisan’izany ny renin’ilay zaza, ilay mpimasy ary ilay ramatoa havan’ny renim-pianakaviana voalaza fa nampifandray azy tamin’ilay mpimasy. Araka ny fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fampakarana azy ireo teo anivon’ny Fampanoavana, dia naiditra am-ponja vonjimaika izy telo. Mbola mitohy ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana, ary ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafahana namoaka tsikelikely ny marina momba ny fahafatesan’ilay zaza.
D.R




