- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversSTATIONNEMENT VATOFOTSY : Ramatoa mpivarotra hiaran’ny antsonjay

STATIONNEMENT VATOFOTSY : Ramatoa mpivarotra hiaran’ny antsonjay

Manaiky ny fandaminana sy ny lamina ary ny fanesorana azy eo amin’ny toerany ny mpivarotrairay ao amin’ny fiantsonan’ny taxi brousse piste vafototsy raha ny nambarany saingy mangataka izany hatao ho ara drariny sy ara dalàna fa tsy atao anterisetra sy ramatahora nefa lazaina fa raharaham-panjakana.

Andaniny,efa an-tanaonany maro no nivelona sy niasa teo amin’ny toerana namehatrana azyi ramatoa Françine Yvette  isan’ireo mpivarotra ao amin’ny fiantsonana taxi brousse Vatofotsy, fantatra fa tanim-panjakana izy  io saingy  nisy ampahany nomen’ny  faritra vakinankaratra ho an’ ny ministeran’ny fitanterana.  Ity farany no fantatra fa manao anjontsay satria dia notsongainy manokana ny mpivarotra iray hesorina teo amin’ny toerany, tsy nisy fampahafantarana mialoha na natao an-taratasy ara-panjakana  mazava  fa natao am-bava fotsiny ihany.

Taorian’ny fametraha « borne » no voalaza fa nidinan’ny fitalevam-paritry ny fitanterana sy ny komity mpitantana ny « stationnement » vatofotsy nanala io ramatoa io hiala tsy misy hatak’andro teo amin’ny trano fivarotany no sady fonenany. Am-polony maro ny mpivarotra mivelona ao amin’ity toerana  ity saingy tsy misy mahalala hatramin’izao fa hoesorina teo amin’ny toerany izy ireo fa ity ramatoa ity ihany noniharan’izany hatreto.

Ankilany, nanazava ny tale iraisam-paritra ny fitanterana eto vakinankaratra sy Amoron’Imania  Elima Hajarison  fa tany nomen’ny faritra ho an’ny ministeran’ny fitanterana io tany io ary efa nisy ny fangatahana  napetraka any amin’ny ambara tonga isan-karazany ka nafahana  niroso tamin’ny fametrahana « borne ». Tafiditra anaty faritra hanorenana ilay hambara fa hananganana « gare routière » manara-penitra ny toeram-pivarotana iray ka izany no antony hanesorana azy eo amin’io toerana io hoy ny fanazavany.

Nitondra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana kosa ny andaniny ary handrasana  amin’ity herinandro ity ny didim-pitsarana.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici