- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversSyndikan’ny Inspekteran’ny polisy Toamasina : Mitaky ny fanafainganana ny fanadihadiana ireo polisy...

Syndikan’ny Inspekteran’ny polisy Toamasina : Mitaky ny fanafainganana ny fanadihadiana ireo polisy telo lahy nisy namono

Nanao fanambarana goavana ny syndikan’ny inspekteran’ny polisy eto Toamasina, ny alakamisy misandratr’andro teo, taorian’ny famonoana ireo naman’izy ireo telo lahy tany Ambodihazinina kaominina Ambatoaranana Fenerivo Atsinanana farany teo izy ireo. Tsy tara ny fanambarana nataon’izy ireo araka ny filazan’izy ireo, fa mbola nijery sy nanara-maso ary miandry izay fepetra raisin’ny “lehibe” izahay nandritra izay, hoy hatrany ireto inspektera eto Toamasina ireto. Nandritra izao fanaovan’izy ireo fanambarana, izay natao tao amin’ny biraon’ny tale provensialin’ny filaminam-bahoaka Toamasina, dia nambaran’ireo syndikan’ny inspektera ireto tamin’ny alalan’ny solontenany nitondra ny tenin’izy ireo, ny inspektera prinsipaly Rakotorahajarizay Andrianarivo Richard, fa takian’izy ireo faran’izay haingana ny fanaovana ny fanadihadiana ny nahavanon-doza tamin’iny famonoana ny naman’izy ireo telo lahy namita iraka ara-dalana sy ara-panjakana iny. Takian’izy ireo ihany koa ny fanasaziana izay tompo marika rehetra sy ireo nifandray tendro nahatonga an’iny vono olona mahatsiravina iny; ary takian’izy ireo faran’izay haingana ihany koa ny fandraisana andraikitra ireo tompon’andraikitra rehetra mba hahazoan’ireo vady aman-janaka ary ny fianakavian’ireo polisy telo maty am-perinasa ireo ny tombontsoany. Ankoatra izay dia tsy hadinon’ireo syndikan’ny inspekteran’ny polisy eto Toamasina ireto koa ny nanameloka ny faniratsirana sy fanozonana ary ny tsy fanomezan-kasina mpitandro ny filaminana voairaka ara-dalana niharana vono olona nataon’ny kandida ho filoham-pirenena Rtoa Ranirisoa Ernaivo farany teo, tao Mahamasina. Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana mikasika iny raharaha iny izy ireo. Tsy hadinon’ireo syndikan’ny inspekteran’ny polisy Toamasina ireto koa ny nisaotra ny olom-pirenena rehetra sy ireo mpitandro ny filaminana namany ary ny Tafika nankahery azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici