- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversTafika Malagasy : Notolorana faneva ny lehiben’ireo vondron-kery vaovao

Tafika Malagasy : Notolorana faneva ny lehiben’ireo vondron-kery vaovao

Mitohy hatrany ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny tafika. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona enim-polo sy sivinjato sy arivo no nametrahana ny rafitry ny Tafika farany, enim-polo taona aty aorina vao nisy indray ny fanavaozana lehibe. Hita fa efa tsy mifanaraka amin’ny hambana sy ny zava-misy hatrehana amin’izao vanim-potoana izao intsony ny rafitra nisy ka izay nahatonga izao fanavaozana lehibe izao. Natao izany mba hanatanterahana ny vina voalohan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mikendry ny hamerenana indray amin’ny laoniny ny famdriam-pahalemana maharitra eto amin’ny firenena. Miditra tanteraka amin’ny fanavaozana ny rafitra ny eo anivon’ny Tafika Malagasy. Ao anatin’izany  ny nametrahana ny lehiben’ny Etamazaoro Tafika Hanabakabaka sy ireo lehiben’ny Farim-piarovana sy Fandriampahalemana folo mirahalahy ary ireo lehiben’ny Toby 213 Arivonimamo sy ny Beholafin’ny mpilatsaka an’elonaina omaly 22 jona 2021 teny amin’ny Toby Rakotonirainy Alphonse 1RTS Fiadanana. Nisy arak’izany ny lanonana ara-miaramila nanolorana faneva azy ireo teny an-toerana izay notarihin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenana no nanambarany fa mitohy ny fametrahana ny fanovana isanam-baratonaga. Anisan’ny andro iray tena manantantara ho an’ny Tafika ity andro androany ity satria manokatra pejy vaovao amin’izany fanitsiana ny rafitra izany. Mivalona tanteraka ny tantara ny faritany miaramila enina fa lasa Farim-piarovana sy Fandriampahalemana na ZDS ary mbola mitohy ny asa fanovana. Asa andrasana amin’ireto ZDS ireto, hoy izy, ny fitandroana ny filaminana amin’ny faritra misy azy ireo. Nosafidina manokana ireo toerana ireo hanaraka ny zava-misy any an-toerana, ny rafitra ara-jeografy, ny sosialy ary ny tantarany. Ny Etamazaoro Tafika no hibaikoa azy ireo amin’ny hetsika rehetra ho tontosainy. Anisan’ny andraikitra lehibe miandry azy ireo ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany any amin’ireo toerana samihafa ireo. Niarahaba sy nankahery azy ireo ny Minisitry ny fiarovam-pirenena fa tsy mora ny asa miandry azy ireo satria mbola hanorina fomba fiasa vaovao mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny mponina ary ny fihariany. Izao no natao dia mba ahafanana manakaiky bebe kokoa ny vahoaka sy hitandrovana tohin’ny anak’andriamaso ny fiainam-pirenena sy ny fandriampahalemana. Sarobidy tokoa ny firaisankinan’ny Malagasy ka anjaran’ny foloalindahy no mitana izany amin’ny fandraisan’andraikitra izay andrasan’ny vahoaka amin’ny Tafika, hoy ny Minisitra raha namarana ny lahateniny.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici