- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Mpangalatra fito voasambotry ny zandary

Talata Volonondry : Mpangalatra fito voasambotry ny zandary

Mpagalatra tongolo miisa fito, no indray voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny PA Ambohimanarivo, omaly. Araka ny loharanom-baovao, nisy olona tonga nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana, fa vaky ny tranony, herinandro lasa izay. Very tamin’izany ny tongologasy milanja hatrany amin’ny 400 kg sy akoho. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitrakely Ambohitrolomahitsy any Talata Volonondry no misy an’io trano voaroba io. Nandeha ny fikarohana ka olona iray no nahitana ireo entana very. Rehefa nohadihadiana io dia nilaza, fa novidiany ireo zavatra ireo. Tsy nisalasala izy, araka ny vaovao hatrany, nanoro ireo olona voalazany. Omaly, nandeha nisambotra ireo voatondro ireo ny zandary ka tany amin’ny toerana antsoina hoe Sahalemaka no nifanehitra tamin’ny mpangalatra ireo mpitandro filaminana. Tsy afaka nihetsika intsony ireo olon-dratsy, fa noraisim-potsiny. Rehefa nosavaina ry zalahy, dia mbola nisy tongologasy 400 kg hafa koa tany aminy. Araka ny fantatra dia avy nangalarina tany amin’ny tanàna atao hoe Antsahafilo ireo tongolo ireo. Toerana izay any amin’ny disitirikan’Anjozorobe. Tamin’ny fanadihadiana hatrany no nahalalana, fa ry zalahy no namaky ny trano teny Ambohitrakely. Efa mpangalatra za-draharaha tokoa izy fito ireo. Valo moa izy ireo no mpiaraka, fa tsy mbola tratra ny iray ary karohina fatratra amin’izao fotoana izao.

Ezaka maro no efa vitan’ny mpitandro filaminana any amin’iny faritra avaratry ny Renivohitra iny. Misy etsy andaniny ny fisafoana atao amin’ny alina, satria maro loatra ny vaky trano sy halatr’omby miseho any an-toerana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici