Tokantrano iray an’ny « assistant parlementaire » iray teny Talata Volonondry no niharan’ny fanafihana ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Tsy tontosan’’ireo mpanafika moa ny zava-dratsy nokasain’izy ireo natao noho ny fahatongavan’ny fokonolona sy ny zandary. Tra-tehaka ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay tsy inona fa mpiandry fonja iray miasa eo anivon’ny fonjan’Avaradrano.
Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any no nahazo antso avy amin’ny tompon-trano ny zandary fa misy olona miditra an-keriny amin’izy ireo. Efa tafiditra tao an-tokontany mihitsy ireo mpanafika ary efa nandrava ny garage sy an-dalana hanapitsoka ny varavarana miditra ao an-trano. Tamin’io fotoana araka ny voalaza dia tsy tao an-toerana ny raim-pianakaviana ary tsy misy afa-tsy zaza amam-behivavy tao. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary. Vao naheno ny antso ihany koa ny mpiray vodirindrina dia tonga nanampy. Lehilahy iray no tra-tehaka tao, araka ny fampitam-baovao azo, ny sisa kosa tafatsoaka. Mbola tratra teny amin’ity olon-dratsy ity moa ny fitaovana nampiasain’izy ireo nentina nokasainy hamakiana ilay trano toy ny marteau misy « arrache clous », antsy, pince, kobay, lampe de poche, fonosana rongony miisa roa ary basy, izay rehefa nohamarinina dia basy kilalao miloko mainty. Voalaza fa mbola nikasa hanohitra moa ity jiolahy ity tamin’ny fotoana nahatratraran’ny fokonolona ary ka tsy maintsy niaro tena ilay nahasambotra. Naratra vokatr’izay ingahy.
Rehefa natao ny fanamarinana ity olon-dratsy, nandritry ny fanadihadiana dia fantatra olona mipetraka eo Talata Volonondry ihany izy ary mpiandry fonja am-perinasa. Tamin’io fotoana io nahatratrana azy io, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nahenoana fofona rongony ny anao lahy ary azo lazaina fa efa mamon’izany zava-mahadomelina izany ingahy. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany moa ity farany, rehefa avy nahazo fitsaboana ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana any an-toerana, entina hikarohana ireo namany.
m.L




