- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Olona telo ahiahiana ho dahalo voasambotry ny zandary

Talata Volonondry : Olona telo ahiahiana ho dahalo voasambotry ny zandary

Nitrangana halatr’omby tao Ambositra, fokontany Andranotsimihozo, kaominina Talata Volonondry ny faran’ny herinandro lasa teo. Noahiahiana ho isan’ireo dahalo tompon’antoka tamin’izany halatr’omby izany ny lehilahy telo, samy monina ao Ambositra ihany. Nampangain’ny zavatra hita tao an-tranony ihany koa izy telolahy ireto ka nentina avy hatrany natao famotorana.

Ny zava-nisy. Araka ny fampitam-baovao azo dia tsikaritry ny olona fa tsy tazana tamin’ny fanaharan-dia, izay tokony ataon’ny fokonolona izy telolahy ireo. Fanaon’ireo mponina any ambanivohitra any mantsy, rehefa misy ny halatr’omby nitranga tahak’ity dia mifandrimbona ireo vatan-dehilahy, amin’ny fanarahan-dia ireo omby very. Tamin’ity nitranga tao Ambositra ity dia isan’ireo voatonona ho mpanara-dia izy ireo saingy tsy hita. Nangataka fanazavana tamin’ny sefo fokontany ka fantatra fa naka pasipaoro izy ireo talohan’io. Izany hoe taratasy manamarina fa handeha hiala eo an-tanana izy ireo. Vao maika moa nampiahiahy ny mponina ny nahitàna ny alikan’izy ireo niaraka tamin’ny taolan-kena ary rehefa narahana dia hita tao anaty ala ny sisan’omby. Nampandrenesina avy hatrany moa ny kaomandin’ny tobim-paritra ary nampilazana ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna, hanome alalàna hisava ny tranon’izy ireo. Hita tao araka izany tokoa fa nisy zavatra nampiahiahy tany amin’izy ireo : nahitàna antsibe fikàpana hena, ody gasy, ary akanjo feno rà. Hampitombona tsara ny ahiahy mipetraka amin’izy ireo sy ny  famotorana moa dia nokarohina izy telolahy ary nosamborina avy hatrany. Nentina ary notanana natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary ho amin’ny tohin’ny famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici