- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Fiantsonan’ny taxibe, lasa fivarotana « heroine »

Talatamaty : Fiantsonan’ny taxibe, lasa fivarotana « heroine »

Mitohy hatrany ny ezaka. Lehilahy iray indray no voasambotry ny pôlisin’ny « stup » (pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina), tetsy amin’ny toerana fiantsonan’ny taxibe iray tetsy Talatamaty ny alatsinainy lasa teo. Tra-tehaka teo am-pivarotana rongony mahery vaika « heroine », ny lehilahy tamin’io fotoana io. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia mbola nahitàna fonosan’izany rongony mahery vaika izany nahatratra 14 isa tany aminy, niaraka tamin’ny « capsule » iray, fanjaitra fanindromana ary « briquet » iray. Ari-fitaovana tanteraka ho an’ireo mpanjifa. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy dia nisy ny fitarainana tonga teny anivon’ny pôlisin’ny « stup » ny amin’io fisiana fivarotana rongony eo amin’io toeram-piantsonana eo Talatamaty io. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nanamarina ny vaovao ary izao tra-tehaka izao ingahirainy mpibizina. Voalaza fa mpikarama ihany koa ny tenany fa tsy tena tompon’ny « ketrika », raha ny famotorana nataon’ireo mpitandro filaminana. 6.000 ariary isan’andro ny karamany, miampy ny fonosana « heroine » anankiroa, satria moa sady mpitsindrona izany ihany koa ranamana. Manodidina ny 5.000 ariary kosa ny hivarotany ny fonosana iray, ary mety mahalafo hatrany amin’ny 14 fonosana  any ho any izy, rehefa tena mety ny tsena. Efa ho iray volana tany ho any, hoy hatrany ny filazany tamin’ireo mpanao fanadihadiana, no « namolahany » io toerana teo amin’ny toeram-piantsonana io, nivarotany izany rongony izany. Dikany, efa maromaro ihany ireo « mpanjifa » no mivily ao aminy sy mividy izany. Na dia efa natolotra ny Fampanoavana omaly aza moa ity « dealer » kely ity dia mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana. Hanjonoana indray izay na ireo olona mpaniraka azy hivarotra ary ireo mpidoroka toa azy, izay heverina fa tsy maintsy hanita-kevitra ny hanohy ny asa ratsiny …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici