- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Môtô nifandona tamina fiara, olona roa naratra mafy

Talatamaty : Môtô nifandona tamina fiara, olona roa naratra mafy

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalan’i Talatamaty iny ny alin’ny alahady lasa teo. Mpitondra môtô roalahy no tsy natsiaro tena intsony sy nihoson-drà tanteraka, rehefa nifandona tamina fiara iray nifanena taminy ny môtô izay nentin’izy ireo. Nentina novonjena haingana tamin’ny toeram-pitsaboana moa ry zalahy ireto.

Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo no nitranga ny loza, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Somary malalaka ihany iny lalana iny rehefa alina ny andro, kanefa isan’ny mampidi-doza satria be fiolanana. Tamin’io fotoana io dia tsy fantatra, hoy hatrany ireo nanatrika ny loza na tsy nisy jiro ilay môtô ka tsy tazan’ilay fiara tsy mataho-dalana nifanena taminy. Nisy ny iray tamin’izy ireo ihany koa no somary nihoatra ny faritra tokony hisy azy tany amin’ny lalana ka tsy tana intsony ny loza. Vokany potika tanteraka ilay kodiaran-droa nentin’ireto roalahy, raha ny lohan’ilay fiara kosa no nahitàna fahapotehana. Nipitika lavitra mihitsy koa ireto mpitondra môtô ary nitrosona tamin’ny tany nony avy eo, samy tsy nisy nahatsiaro tena intsony. Fiara sendra nandalo teny an-toerana, izay tsy mataho-dalana ihany no nitondra azy ireo haingana tany amin’iny toeram-pitsaboana.

Fa ny sabotsy maraina lasa teo ihany koa dia nisiana trangana lozam-pifamoivoizana teny amin’iny faritra iny hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia sarety no nodomina fiara kely iray. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia mety ho  tsy nisy jiro na mari-pamatarana ity sarety ity kanefa mandeha alina. Mazava ho azy, fa tsy hitan’ilay fiara ka izao nifandona izao. Tsy nisy moa ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany fifandonana izany, saingy nahitana fahasimbana kosa na ilay sarety na ilay fiara nandona.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici