- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : « Môtô » nirimorimo voadona, tapaka ny sorok’ilay tovolahy

Talatamaty : « Môtô » nirimorimo voadona, tapaka ny sorok’ilay tovolahy

Nalaza ihany koa tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahaizana mitondra “môtô” eto amintsika. Tovolahy iray manodidina ny 25 taona no torana tanteraka taorian’ny dona nahazo azy, raha avy nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Omaly tolakandro tokony tamin’ny 2 ora latsaka teo no nitrangan’izany, teny Talatamaty. Raha ny fanazavana azonay, dia voalaza fa nandeha mafy loatra ity mpitondra “môtô” ity. Niezaka nisisika tamin’ireo elanelan’ny fiara izy ka rehefa tsy afa-nanoatra dia nanapa-kevitra ny hisongona ny fiara teo alohany. Tsy nampoiziny anefa ny loza hiseho, fa avy hatrany izy dia notsenain’ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Vokany: nipitika lavitra dia lavitra teo ambonin’ilay “môtô” nentiny izy. Raha ny fahitan’ireo nanatri-maso ny loza, dia tena voa mafy tokoa ilay tovolahy, satria dia torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Ankoatr’izay, tapaka ihany koa ny sorony. Anisan’ny nampitombo ny fahavoazany ny tsy nanaovany “casque”. Efa tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanao ny “constat” rehetra. Ilay tovolahy kosa niandry fotoana maharitra mihitsy vao tafaverina ny sainy. Nifarimbona nibata azy ho ao anatin’ny fiara nitondra azy any amin’ny hopitaly ny sasany amin’ireo nanatri-maso raha nanome tsiny azy kosa ny ambiny.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici