Haitarana ny an’ny rehetra nindrana iny lalam-pirenena fahefatra, teo Talatamaty nihazo an’Ambohidratrimo iny ny alakamisy alina lasa teo. Nisy nanakana vatobe sy biriky mantsy ny lalana teo amin’ny toerana antsoina hoe Bel’air. Izay mbola nikiry nandeha tamin’io dia voatoraka vato sy tapa-biriky avokoa. Maromaro ihany ireo lasibatra vokatr’izany, eny fa na hatramin’ny fiaran’ny mpitandro filaminana aza, tonga haingana teny an-toerana taorian’ny fampandrenesana natao azy ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray moa no nosamborina vokatr’izay, izay tompon’antoka tamin’io « sakan-dalana » sy fitorahana fiara io. Tamin’ny fanazavàna azo no nahafantarana fa olona tsy dia salama saina loatra izy io ary votsotra teny an-dalana, raha nokasaina entina eny amin’ny tobim-pahasalamana. « Efa nosamborinay mialoha io lehilahy ary notazomina natao andrimaso », hoy ny fanazavana azo avy amin’ny lefitry ny kaomandin’ny tobi-paritry ny zandary tetsy Talatamaty. « Tamin’izay anefa no hitanay fa olona marary saina ilay izy ka nantsoina ny fianakaviana, hitondra azy ho any amin’ny toby fitaizana olona tsy salama saina eny Anjanamasina ». Nentina fiarakaretsaka ho any an-toerana izy ireo kanefa voalaza fa votsotra teo an-tanan’ireo nitondra azy indray. Ary dia io niafara tamin’ny fihetsehan’ny tsy fahasalamany io tamin’ny fanakanana ny lalana sy fitorahana fiara. Efa nilamina tamin’io alina io ihany ny toe-draharaha teny an-toerana, raha ny fanazavàna azo.
m.L