Niredareda ny afo, omaly vao mangiran-dratsy teny Imerinafovoany Talatamaty. Trano iray no levon’ny afo tanteraka. Ramatoa lehibe iray, tokony ho 85 taona any ho any no may kilan’ny afo tao anatiny. Araka ny fanazavana azo, dia tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any no nitranga ny loza. Hatairana ny an’ireo manodidina raha nahita setroka nijolofotra nivoaka tamin’ity trano ity. Ary vetivety taorian’izay, dia niredareda ny afo, avy tamin’izany trano izany. Samy nanao izay ho afany avokoa ireo mponina rehetra teny an-toerana nanao izay hifehezana ny afo tsy hiitatra amin’ny trano manodidina. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, dia vehivavy lehibe iray no mipetraka tao amin’io trano io, izay tsy fantatra tamin’izay fotoana izay na mbola tao na efa tsy tao intsony. Tsy sahy nitsofoka tao amin’ilay trano nataon’ny afo kilalao intsony anefa ireo mpamonjy noho ny firedaredan’ny afo, nahafahana nanamarina izany. Tetsy andanin’izay kosa anefa dia tsy afaka nanavo-tena intsony ilay ramatoabe, izay voafandrika tao anaty rindrin’afo, ary dia may kila tao. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpamonjy voina, niezaka nifehy ny afo. Ora vitsy taty aoriana vao tena maty tanteraka ny afo, ka nahafahana naka ny vatan’ilay ramatoa, izay efa tsy nisy namantarana azy intsony. Teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Noraisin’izy ireo an-tànana avy hatrany raharaha, satria nisy aina nafoy tao anatin’izany trano may izany. Tsy fantatra mantsy hatreto na inona no antony nahatonga ny loza na inona? Misy ihany anefa ny filazana fa hoe afon-dabozia no nahatonga izany. Mety hoe resin-tory ilay vaviantitra ka dia hadinony ny namono izany ary dia izao nitarika tamin’ny fahamaizan’ny tranony izao, sy niafara tamin’ny fahatesany.
m.L