Mifanakaiky ny sekoly sy ny fiangonana. Olona iray izay manan-draharaha tao amin’ilay sekoly no nametraka vetivety ny kodiaran-droa nentiny teo amin’ny tokontanim-piangonana. Vetivety ihany ny diany, tokony ho teo amin’ny 20 minitra teo. Ampy tsara anefa izany ho an’ireo olon-dratsy amin’ny halatra moto. Niverina ilay rangahy ary efa tsy teo amin’ny fitoerany intsony ny moto Yamaha Bws, scooter izay tena ilainy amin’ny fiainana andavan’andro. Nanganohano ilay rangahy fa kosa mba nanana ny eritreritra nety dia ny nanatona ny biraon’ny zandary izany. Nidina ifotony ireo farany ary natao ny fisafoana teo amin’ny manodidina. Tao amin’ny lobolobo kely tsy mifanalavitra loatra ny toerana nangalarana no hita ny moto. « Nanatona ny biraon’ny zandarimaria avy hatrany ny tompony mba hitaraina.Nidina ifotony avy hatrany ny zandary. Rehefa nikaroka ny manodidina anefa dia hita tao anaty kirihitra ilay moto. Teo amin’ny 200 metatra miala ny toerana nametrahana azy no nahitàna ilay moto. Izany hoe tsy mety velomina ilay moto satria any amin’ny tompony ny lakile ka nakisaka sy nafenina fotsiny aloha hiandry fotoana malalaka hakana azy », raha araka ny tatitry ny zandary. Mila mailo hatrany amin’ny fametrahana ny moto satria tena tian’ny jiolahy izy ireny noho izy mora amidy no ovaina loko dia amidy indray. Matetika koa dia aboridana tanteraka ny scooter ary tsoahina tsirairay ny piesy dia amidy. Aleo aza mandoa vola kely amin’ny mpiambina toerana iray rehefa tena tsy mahita hasiana azy toa izay hapetrapetraka eny amin’ny toerana tsy maharesy lahatra.
D.R