Olona roa, mpamily sy resevera ao amin’ny kaoperativa Tselatra misahana ny zotra 147 mampitohy an’Ambatomaro – 67 ha – Amabtomaro no nampidirina am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Voarohirohy ho nangalatra ny fiara « Sprinter » izay very tamin’ny talata 8 aogositra teo izy ireo. Fantatra ihany koa fa olona iray heverina fa mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha ity no mbola karohina. Ity farany izay nandray ity taxibe ity teo Anosy ny marainan’io talata io ka nanomboka teo ny tetika rehetra nangalarana ilay fiara. Tonga dia niakatra teo aloha sy nipetraka teoakaikin’ny saofera ilay io. Rehefa nitaky saran-dalana ny mpanampy ny saofera , na ny resevera, dia nilaza ilay mpamily fa zanak’anabaviny ity teo akaikiny ka tsy ampandoavina. Mba hanaporofoiny izany amin’ilay resevera dia nampitondrainy an’ity lazainy fa zanak’anabaviny ny fiara rehefa avy nameno mpandeha teny Ambatomaro ka hiverina. Nony tonga teo amin’ny paositra 67 ha anefa dia natsambikimbikin’ilay mpamily ilay fiara. Tezitra ireo mpandeha ka naverina ny saran-dalana ary nidina daholo rehefa nolazain’ilay mpamily fa misy simba ao amin’ny coupelle sy ny hisatra. Rehefa tonga teo amin’ny Jirama Andavamamba anefa dia nirahin’ilay mpamily hividy ireo kojakoja simba ilay resevera ka najanona teo ilay fiara. Tsy hita teo intsony anefa ity farany sy ilay mpamily rehefa niverina ilay resevera. Nampadre avy hatrany ny tena mpamily sy ny tompon’ny fiara ilay resevera. Nampandrenesina noho izany ny polisy misahana ny heloka bevava ao Anosy. Natao ny fikarohana ka hita teny amin’ny lalana Andrefan’Ambohijanahary ilay fiara izay efa tsy misy kodiarana, tsy misy auto radio, very ny kojakoja rehetra.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy zanak’anabavin’ity mpamily akory ilay olona nomeny ny fiara fa olom-pantany fotsiny, izany hoe mpamily taxibe namany. Olom-pantany saingy nambara ny fa tsy hitany akory izay fonenany. Mitohy araka izany ny fikarohana.
T.M.