- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTambajotra mpangalatra môtô : Dimy mianadahy nadoboka am-ponja

Tambajotra mpangalatra môtô : Dimy mianadahy nadoboka am-ponja

Vehivavy iray mpampiantrano sy mpanafina ireo môtô halatra, ny sasany kosa mpanamboatra izany tsy ho fantatry ny tompony intsony, ary ny hafa mpivarotra, ireo ambiny kosa dia ireo mpitily sy mpangalatra mihitsy. Misy dimy izy ireo aloha no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarin’ny boriborintany fahavalo ; izay  tambajotrana mpangalatra môtô raindahiny eny amin’iny faritra Analamahitsy iny.

Isan’ny ikoizan’ny maro ny halatra môtô amin’izao. Efa miaka-bidy tokoa mantsy ny kodiaran-droa, izay mety ho tafakatra any amin’ny 10 tapitrisa ariary mahery any ho any, ho an’ireo môtô voalazan’ireo mpahay hoe « kité ». Manginy fotsiny ireo « gros cylindré », izay mety hotombanana any amin’ny 30 tapitrisa ariary no ho miakatra any . « Scooter » avokoa eto no resaka. Izany indrindra no antony manosika ireo mpangalatra hitsiriritra ireto kodiaran-droa mihamaro dia maro eto amintsika ireto.

Raha toy izany ny vidiny ara-dalàna, misy maromaro kosa ireo milaza fa manao fihenam-bidy na hoe « tataka » anaty tambajotra sosialy ao ; izay mampihena ny vidin’izany ho ambany dia ambany, ary mety hampiahiahy tanteraka ny fiavian’ireo môtô. Anisan’izany ireto olona voasambotra ireto. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisy mantsy, dia saika mpivarotra avokoa ny sasany tamin’ireo voasambotra ; izay tra-tehaka tao amin’ny Parc Analamahitsy. Voalaza moa fa tarik’izany « Rija kely » izany izy ireo, izay tena rain-dahiny tokoa amin’ny fangalarana môtô, ary nampitondra faisana ny teny Analamahitsy sy ny manodidina. Efa maro, araka ny vaovao, ny fitoriana mahakasika ity Rija kely ity, saingy izao ranamana vao tratra ambodiomby. Marihana tokoa mantsy, fa tratran’ ny tompony teny aminy ny kodiaran-droa halatra, teny Tsarasaotra iny. Nampilaza avy hatrany ny pôlisy io tompony ka dia noraisim-potsiny Rija kely. Nanoro ny namany avy hatrany ity farany ka voapaingotra tao daholo izy ireo. Nahitana vehivavy iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ; izay fantatra fa mpanafina sy mpampiantrano ireo olon-dratsy sy entana avy nangalariny. Ny sabotsy teo moa izy ireo natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici