- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTambajotra mpangalatra « sprinter » : Eny Tsiafahy i Leratsy sy Ledoda,...

Tambajotra mpangalatra « sprinter » : Eny Tsiafahy i Leratsy sy Ledoda, jiolahy efa ela nokarohina

Nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana omaly maraina, ireo olona enina voarohirohy tamina halatra « sprinter » maromaro teto Andrenivohitra sy ny manodidina.

Efa ela nifampitadiavana ireto olon-dratsy ireto ary izao sendra ny nahay azy izao. Nentina nohenoina teo anatrehan’ireo mpitsara mpanao famotorana teny Anosy, omaly, ireo enin-dahy voatondro ho anatina tambajotra mpangalatra sprinter teo Andrenivohitra. Araka ny fanapahan-kevitr’iretsy voalohany dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny dimy tamin’izy ireo, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Ny roa tamin’ireo naiditra am-ponja dia nalefa eny Tsiafahy avy hatrany. Ireto roalahy ireto izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Leratsy sy Ledoda dia efa jiolahy rain-dahiny amin’ity halatra fiara ity. Efa ela ny nikarohan’ny mpitandro filaminana azy, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny borigadin’ny zandary eny Ambohimangakely, nitondra ireto olon-dratsy ireto mivantana teny amin’ny Tribonaly. Ireo telo lahy namany hafa indray, izay saika mpiasa amina garazy, manova tanteraka sy mandoko ireo fiara halatra, dia nalefa eny Antanimora.

Raha tsiahivina dia fiara halatra efatra be izao no tratra teo am-pelan-tanan’ireto olon-dratsy ireto ary efa teo am-panovana azy tanteraka izy ireo tamin’izany fotoana izany. Mizarazara amina faritra maromaro manodidina ny renivohitra ny toerana fanafenan-dry zalahy ireo fiara « sprinter », izay efa miasa ho taxibe ny ankabeazany. Toy ny tetsy Mandroseza, Ambohimanambola, Ambohimalaza, ary tonga hatrany Analavory, izay toerana nisamborana ireo telo lahy hafa, mpikambana ao anatin’ity tambajotra ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici