- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTampon’ Ihorombe : Taksiborosy hihazo an’i Tolagnaro, notafihan’ny dahalo mitam-basy

Tampon’ Ihorombe : Taksiborosy hihazo an’i Tolagnaro, notafihan’ny dahalo mitam-basy

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tamin’ny RN13 teo anelanelan’ny Ihosy sy Betroka, afak’omaly alina, ka fiarabe taksiborosy iray hihazo an’i Tolagnaro no voaroba tao an-tampon’ Ihorombe, ary lasan’ireo mpanakan-dalana avokoa ny entana sarobidin’ireo mpandeha. Nandritra ny fanafihana dia nitifitra ireo malaso nentina nampijanonana ny fiara, ka nisy tamin’ireo mpandeha no naratra. Ny andron’ny alahady io ihany, saingy tamin’ny 7 ora hariva, tao Beraketa, distrikan’i Bekily kosa, mbola amin’iny lalampirenena faha-13 iny hatrany, dia fiara mpitatitra olona sy entana iray no niharan’ny sakan-dalana nataon’ny dahalo, iray kilometatra miala ny tanàna. Fa tao Andranovorivato, distrikan’ Ambalavao, amin’ny RN7 iny, afak’omaly io hatrany, dia fiara tsy mataho-dalana iray no notifirin’ny dahalo. Tafatsoaka ity 4×4 ity ka tsy nisy zavatra azon’ireo olon-dratsy. Tsy nisy ain’olona nafoy moa tamin’ireo fanafihana telo niseho ireo, raha araka ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici