- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTampon’ Ihorombe : Taksiborosy hihazo an’i Tolagnaro, notafihan’ny dahalo mitam-basy

Tampon’ Ihorombe : Taksiborosy hihazo an’i Tolagnaro, notafihan’ny dahalo mitam-basy

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tamin’ny RN13 teo anelanelan’ny Ihosy sy Betroka, afak’omaly alina, ka fiarabe taksiborosy iray hihazo an’i Tolagnaro no voaroba tao an-tampon’ Ihorombe, ary lasan’ireo mpanakan-dalana avokoa ny entana sarobidin’ireo mpandeha. Nandritra ny fanafihana dia nitifitra ireo malaso nentina nampijanonana ny fiara, ka nisy tamin’ireo mpandeha no naratra. Ny andron’ny alahady io ihany, saingy tamin’ny 7 ora hariva, tao Beraketa, distrikan’i Bekily kosa, mbola amin’iny lalampirenena faha-13 iny hatrany, dia fiara mpitatitra olona sy entana iray no niharan’ny sakan-dalana nataon’ny dahalo, iray kilometatra miala ny tanàna. Fa tao Andranovorivato, distrikan’ Ambalavao, amin’ny RN7 iny, afak’omaly io hatrany, dia fiara tsy mataho-dalana iray no notifirin’ny dahalo. Tafatsoaka ity 4×4 ity ka tsy nisy zavatra azon’ireo olon-dratsy. Tsy nisy ain’olona nafoy moa tamin’ireo fanafihana telo niseho ireo, raha araka ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici