- Publicité -
mardi, octobre 27, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTana : Feno mpanendaka voasambotra tao anaty fampisehoana

Tana : Feno mpanendaka voasambotra tao anaty fampisehoana

Tonga koa ny mpanendaka sy ny mpangarom-paosy ary nifangaro tamin’ny mpankafy teny an-kianja. Tsy iray na roa fa efa maherin’ny 50 raha ny tomban’ny mpitandro ny filaminana, tao amin’ny toerana fampisehoana iray izay nahazo olona an’arivony io. Tsy tonga nijery ny hetsika anefa izy ireo fa tonga nanao ny asaratsiny. Soa fa feno mpitandro ny filaminana koa ny toerana ary raha vao nisy olona nampandre dia niditra an-tsehatra avy hatrany nanao bemidina iretsy voalohany. Betsaka arak’izany ny voasambotra tao anatin’ny fety. Na dia nandrindra ny fivezivezen’ny olona sy ny mety ho fihoaram-pefy aza no tena nilàna ireo mpitandro ny filaminana, tsy nisalasala kosa izy ireo ny nandray andraikitra avy hatrany manoloana ireo tontakely. Noderain’ny maro izany fihetsika izany ary teo ambany mason’ireo mpijery fampisehoana rahateo no nitranga. Raha ny fiheverana ny zava-misy dia tena efa mahafantatra ny karazana fampisehoana izay misy ny olon-dratsy ary manaraka izany. Tonga hatrany amin’ny faritra ireo, indrindra amin’ireny foara lehibe sy be olona na koa fampisehoana fantany fa hameno toerana. Mivezivezy arak’izany ireo ary efa voaomana ny fandaharam-potoanany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici