Ho fiarovana kokoa ny ain’ny mpandeha kodiaran-droa no anton’ny hetsika izay nataonay, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Ny marainan’ny asabotsy teo fotsiny, dia efa tafakatra 70 ireo mpandeha moto nosakanana noho ny tsy fanajana ny fenitra faran’izay kely ho fiarovan’aina, dia ny tsy fametrahana ny aroloha izany. Isa izay mbola nitombo satria nitohy tamin’ny faritra hafa teto an-dRenivohitra ny hetsika. Tsy nisy resabe intsony natao na fifanakalozan-kevitra, fa avy hatrany dia nogiazana ny kodiaran-droa. Ny antony, raha araka ny filazan’ny polisy hatrany, dia efa vita ela ny fotoana fampahafantarana sy fanentanana fa fandikan-dalàna ny tsy fametrahana aroloha rehefa mitaingina moto. Maro loatra koa ny lozam-pifamoivoizana; izay niteraka fahafatesana tamin’ny herinandro lasa teo, ary tsy maintsy nohamafisina ny fampiharana ny lalàna. Saika isan’andro no nisy olona maty hatramin’ny fiandohan’ny volana, ary saika ireo mpitaingina kodiaran-droa hatrany izany. Nampitsangam-bolo ny maro ny zava-nitranga ary nanimba endrika ny mpampiasa kodiaran-droa. Tsy azo ihodivirina intsony anefa ny fampiasana io fitaovam-pitaterana io noho ny fisian’ny fitohanana isan’andro eto an-dRenivohitra. Sady mamaha olana no mametraka olana ihany anefa izy ity. Ny fahakelezan’ny làlana sy ny fisian’ny lavaka etsy sy eroa, dia mitera-doza matetika. Eo koa anefa ny fisetrasetran’ny mpanamory sasany; izay tsy manaraka firy ny lalàn’ny fifamoivoizana ary lasa manimba tena. Tokony hanampy betsaka amin’ny fihenan’ny fampiasana fiara ny moto, saingy kosa mila hatsaraina ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fifamoivoizana ary koa ampianarina ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpampiasa azy. Dia milamina toy ny any amin’ny firenen-kafa ny fifamoivoizana…
D.R