- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversTANA : Mpitandro ny filaminana miaro mpivarotra rongony

TANA : Mpitandro ny filaminana miaro mpivarotra rongony

Niakatra fanadihadiana anatiny teo anivon’ny vondrona misy azy ireo, ny mpitandro ny filaminana  efatra. Ny anton’izany, dia noho ny firaisan’izy ireo petsapetsa amin’ny mpivarotra rongony eny amin’ny faritra iva. Loharanom-baovao teo anivon’izy ireo ihany no nahafantarana, fa avelan’ireo manao ny asaratsiny ireo mpivarotra, dia hangalany sarany izany nony avy eo. Mazava ho azy noho izany fa, lasa tsy misy tahotra sy henatra intsony ny mponina eny amin’ireo toerana voakasika amin’ny fananatontsana ny asany. Torak’izany ihany koa, lasa miparitaka be ny zava-mahadomelina ; izay efa iaraha-mahalala fa fototry ny herisetra sy ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Niitatra ilay fanadihadiana izay natao teo anivon’ny « inspection » an’io vondrona io. Ny antony, dia noho ny fanononan’ireo izay efa nohenoina ny namany hafa izay tany amin’ny sampana hafa no niasa. Midika izany fa efa mandeha manao tambajotra ary miparitaka eo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity ny fiarovana ireo mpivarotra zava-mahadomelina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici