- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanà : Nifanesy ny fahafatesana nateraky ny Subaru

Tanà : Nifanesy ny fahafatesana nateraky ny Subaru

Nahafaty olona indray ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiara matanjaka, marika Subaru. Tao anatin’ny roa herinandro izany dia olona telo no namoy ny ainy ary mbola misy iray izay mitondra takaitra, mpandeha izy io. Ny alin’ny alatsinainy teo (jereo lahatsoratra etsy ankila) no nivadika tao anaty rano tetsy Tsarasaotra-Ivato raha nandeha mafy ny tanora roa izay misy fofona zava-pisotro. Maty tsy tsa-drano na teo aza ny fanavotana. Andro vitsy talohan’io, nisy iray nivadika koa tetsy amin’ny làlan’Imerinkasinina. Maty tsy tsa-drano ny mampily raha naratra mafy ny vadiny. Samy fiara mitondra ny marika Subaru avokoa ireo. Karazam-piara matanjaka ary fampiasa amin’ny lalao fiarakodia. Vita japoney ny Subaru ary GC8 no fiantso ilay karazany nahafaty olona matetika tato ho ato. Eo ihany ny maha-matanjaka ilay fiara fa kosa ny fientanam-po eo amin’ny familiana no isan’ny mitarika ny lozam-pifamoivoizana. Indrindra koa raha vao miampy zava-pisotro misy alikaola. Ary dia izay avokoa no nitranga tamin’ireo lozam-pifamoivoizana roa samihafa ireo. Amin’ny lafiny iray dia toa lasa malalaka loatra ny fisetrasetràna amin’ny fiarakodia eto amintsika rehefa alina ny andro. Malalaka satria zara raha misy mpitandro ny filaminana ary raha misy aza tsy afaka ny hanenjika noho ny tsy fisian’ny fitaovana. Ankoatra izay dia tsy mba misy ireny fitaovana mpanara-maso toa ny « radar » sy « camera de surveillance » ireny hany ka manao izay danin’ny kibony ny mpamily izay leon’ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny antoandro. Hatreto dia tsy mbola tonga amin’ny fampitaovana ny fanaraha-maso ny làlana ny eto amintsika, eny fa na dia jiro maroloko mpandrindra ny fifamoivoizana monja aza.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici