- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversTanamakoa Toamasina : Nahitana fatin-jaza narian-dray aman-dreniny

Tanamakoa Toamasina : Nahitana fatin-jaza narian-dray aman-dreniny

Vehivavy lazain’ny olona fa tsy salama saina mitsindroka ao ambany tetezan’i Tanamakoa, efa fanaon’ity vehivavy ity izany noho ny ao ambany tetezana fanarian’ny olona manodidina ny fakon’izy ireo, no nahita ity fatin-jaza efa ary vatana sy nitafy tsara natao tao anaty baoritra ary nofonosina ihany koa. Zazalahy izy ity ka ireo mpitsabo mpisahana ny ara-pahasalamana eo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana misahana ny zaza tsy ampy taona no nijery sy naka ity fatin-jaza ity tao ambanin’ny tetezan’i Tanamakoa izao, omaly antoandro. Tsy sambany izao fanariana zaza efa ary nateraka ataon’ny ray aman-dreny izao eto Toamasina, izay mahatonga ny fizarazaran’ny hevitra ho an’ny olona nahita ny zava-nisy tao Tanamakoa. Ao ny manome tsiny, ao kosa ny malahelo. Raha ny angom-baovao natao dia mety ho an’ity reny avy any Mahanoro tonga niteraka tao amin’ny CSBII Ankirihiry nasaina nanatitra ny zanany tsy ampy lanja tokony hampidirina anaty toerana manokana hitsaboana azy ao amin’ny hopitalin-jazan’ny hopitaly be ity zazalahy hita faty tao ambany tetezana ity. Ilay satroka nanaovany no fanamarinana amin’izany raha ny angom-baovao natao. Ilay zaza tsy ampy lanja tokony hiditra hopitalin-jaza koa tsy tonga tany raha nohamarinina, hoy hatrany ny angom-baovao natao; koa eo am-panarahan-dia ity reny namono sy nanary zanaka ity ny mpitandro ny filaminana izao mba hanamarinana izany marina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici