- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanamakoa- Toamasina : Rangahy hita faty teo afivoan’ny arabe

Tanamakoa- Toamasina : Rangahy hita faty teo afivoan’ny arabe

Samy manana ny fomba fahitany ny nahafaty ity rangahy mpiambina eo anivon’ny orinasa “Fasivato” Tanamakoa, hita faty nivalampatra teo afivoan’ny arabe ny fianakaviany sy ny mpiara-monina aminy ary ny mpitandro ny filaminana nijery sy nanadihady ny zava-nisy tamin’ny fahitana azy.

Ho an’ny mpitandro ny filaminana izay tonga nijery ity rangahy maty nitsirara tamin’ny araben’i Tanamakoa tsy lavitra ny toerana ambenany ihany, raha vao naharay antso mikasika ity rangahy maty ity, dia resaka fandonana fiara izay nitsoaka taorian’izay no nahafaty azy. Manaramarina izany raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana, ny lohany vaky izay heverina fa nikarapoka tamin’ny  arabe taorian’ny fandonana azy, ny taolan-tratrany sy ny tànany tapatapaka ihany koa izay eritreretina hoy ireo mpitandro ny filaminana fa vokatry ny fitaritarihan’ilay fiara nandona azy izay mbola voahitsaka ihany koa taorian’izay; izay hita faritra tamin’ny faharatran’ny tongony izany hoy izy ireo.

Ireo fianakaviny sy ireo mpiara-monina aminy kosa milaza sy mijoro amin’ny heviny, fa nisy namono ity rangahy mpiambina ny “Fasivato” maty ity, saingy taorian’ny nahafaty azy dia natsipy teo afivoan’ny arabe mba hilazana fa voadonan’ny fiara no nahafaty azy. Tsy nahitana faritra kodiarana feno ra mantsy nanakakaiky ny fatin’ity rangahy ity. Manamarina ny heviny ireto fianakaviany sy ny mpiara-monina aminy ireto, tamin’ny filazana fa nahitana faritra voatsindrona zava-maranitra maromaro ny vatan’ilay rangahy maty tamin’ny fotoana nahitana azy. Ny talata alina tokony ho tamin’ny 9ora ihany koa dia mbola hitan’ny olona nivoaka nividy fahana finday izy, saingy tsy hitan’izy ireo ny fiverenany.

Misokatra ny fanadihadiana ny raharaha na mbola tsy nitory teo anivon’ny mpitandro ny filaminana  aza  ny fianakavian’ny maty, satria resaka faty olona no nisy tamin’izao raharaha tao Tanamakoa izao. Ny alarobia tolakandro teo kosa no nalevina tao Ivoloina fiaviany ity rangahy mpiambina maty ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici