- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanànan’i Toamasina I : Mitokona ireo mpiasa mpanao ny « voie rapide »

Tanànan’i Toamasina I : Mitokona ireo mpiasa mpanao ny « voie rapide »

Tsy milamina ny fanamboarana ilay « voie rapide » mampitohy ny lalam-pirenena faharoa sy ny seranana eny amoron-dranomasin’ny Dépôt sy Cité Canada iny. Mitokona ireo mpiasa efa nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’izao noho resaka tsy fanajana ny zon’ny mpiasa sy ireo antony maromaro koa hoy ny mpiasa ny anton’ny fitokanana. Araka ny nambaran’izy ireo izay nisoratra tamin’ny sorabaventy nolanjain’ireto mpiasa, dia tsy misy ny fanajana ny zo mahaolona ireo mpiasa, ny tsy fanajana no ny zon’ny mpiasa,…ary ny tsy fanajana fanambaniana ny mpiasa malagasy sy fanaovana tsindrihazolena ny mpiasa isaky ny mihetsika. Efa fano ny kapoakanay hoy ireto mpiasa maro be satria na sakafo antoandro avy tsy azo amin’ireto sinoa mpampiasa anay, nefa izahay tsy mahazo mitondra fomba fitaterana ahafahanay mody misakafo. Miasa toa andevo izahay hoy hatrany ireto mpiasa, satria miasa fito andro amin’ny fito andro izahay, ary miasa adin’ny 10 hatramin’ny 12ora isanandro. Tsy mahazo izany fialantsasatra izany, fa vao tsy miasa dia tapaka amin’ny karama izany. Vao maika nanampy trotraka ny fahorianay mpiasa ny rivodoza farany teo iny, satria hatramin’izao dia mbola tsy miasa izahay nefa 20 hatramin’ny 30 andro no nambara fa fiatoana taorin’ilay rivodoza. Araka ny fantatra dia efa mijery akaiky mikasika ny izao raharaha izao ny fanjakana, ary mitady vahaolana mikasika izany, mba ho tombotsoan’ny mpiasa sy Toamasina. Araka ny fantatra dia niharan’ny fahasimbana koa ny orinasa taorian’ny rivodoza, satria nazeran’ny rivodoza ny fitaovana iray goavana teo amin’ny orinasa ka tsy maintsy narenina haingana, noho izy nanakan-dalana teo amin’ilay « voie rapide ». Ho hita eo ny tohin’ny fitokanana sy ny fitakiana nataon’ny mpiasa ireo, satria efa nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ireto mpiasa mitokona ireto omaly maraina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici