Mihevitra ny hametraka toby fiantsonana kamiao eny Tanandava mifanila amin’ny toeram-pandajana fiara ny fanjakana Malagasy miaraka amin’ny seranan-tsambo, mandra-pahavita ilay toby lehibe sy moderna fitoambian’ireo kamiao eny. Kendrena izao fiantsonana vonjy maika izao, ny fahitana ny fibosesehan’ny kamiao amin’ny lalam-pirenena II sy ny lalam-pirenena II TER, ka miteraka fitohanan’ny lalana eto Toamasina renivohitra. Eo am-pikarakarana izany ny fanjakana sy ny seranan-tsambo, ka raha tokony ny 21 septambra teo no niasa izany toeram-piantsonana vonjy maika izany, dia nahemotra ny 28 septambra ny fisokafan’izany indray araka ny tapaka izy ireo. Ny tsy mbola fahatomombanan’ny toerana hametrahana ireo kamiao eny no antony hoy ny fanjakana sy ny senanan-tsambo. Araka ny fanazavana dia ireo lavadavaka mameno ny toerana noho ny fakan’ireo olona ny vato tamin’ny trano noravana ka tsy hahazaka ny entana feno entin’ireo kamiao no tena antony. Maika ny toeram-piantsonana ho an’ny kamiao ao Tanandava ity, ka nijery ifotony izany ny lehiben’ny fileovana Atoa Andriamanantsoa Philibert Hervé niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Spat ary teo anivon’ny Toamasina I sy Toamasina II. Niteny ny lehiben’ny fileovana sy ny tale jeneralin’ny Spat, fa miankina amin’ny fanarenana ity toerana ity, sy ny fahazakan’ity toerana ity ireo entana mavesatra eo amboniny, no hanokafana azy ho an’ireo fiara vaventy. Samy manao ny ezaka rehetra hialan’ireo olona maka vaty tamin’ny trano teo aloha teny izany ny rehetra mba hanafaingana ny fahavitan’ity toerana ity.
Malala Didier


