Efa mipetraka eny amin’ny mpitandro ny filaminana ny fitoriana nataon’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy folo taona antsoina hoe Tanyah. Io farany dia tsy hita izay nanjavonany rehefa nivoaka ny fianarany tetsy Avarabohitra-Soavimasoandro ny alatsinainy antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora. Hatreto dia nisy ny olona roa naka azy ary raha ny fanamarihana etsy sy eroa dia fakàna an-keriny no nitranga. « Efa mandeha tanteraka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Ny azo ambara anefa dia tsy mbola feno ny fepetra amin’ny hoe kidnapping no nitranga, satria tsy mbola nisy vola takalon’aina notakian’ireo olon-dratsy », raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana. Akanjo miloko volon-tany no nanaovan’i Tania izay efa ho efatra andro sahady izao no tsy hita. Fanamian’ny sekoly nianarany io ary fanao isaky ny alatsinainy. Namoahana filazàna fikarohana izy ary napetraka ny laharana ho an’izay mety ho mahita azy ka afaka manome vaovao momba izany : 033 19 868 33/ 034 31 727 53/ 033 05 013 37. Afaka ny miantso avy hatrany ireo izay manam-baovao na koa mampandre ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra. Vetivety dia manakorontana ny sain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny tranga toy izao. Indrindra koa vao tsy ela no nisy fakàna an-keriny izay nahoraka teto an-drenivohitra, dia ilay nitranga tetsy Alasora izany. Ny mpiasa an-trano no niketrika ny fangalàna ny zaza ary nanery ny ray aman-dreniny avy eo mba hanome vola takalon’aina. Soa fa niasa haingana ny teknolojia ary dia fantatra ny nisy ireo jiolahy izay nofitahina tamin’ny fotoana tokony nanomezana ny vola ka voasambotra avy hatrany. Miray tendro ny mpiasa an-trano, ny mpanera mpiasa, ny jiolahy ary ny tompon’ny trano fanafenana olona, tamin’ity tranga iray ity. Midika izany fa mila mailo tanteraka amin’izay olona ampiasainy sy mifanerasera amin’ny eo anivon’ny fiaraha-monina ny ray aman-dreniny ankehitriny.
D.R