Volabe manodidina 28 tapitrisa ariary mahery no norobaina efa-dahy tetsy Tanjombato, ny alatsinainy lasa teo. An’ny orinasa lehibe iray eto Andrenivohitra ity volabe ity, ary saika haterina any amin’ny banky. Raha ny vaovao azo avy tamin’ny pôlisy, dia ny mpamily miasa ao amin’ilay orinasa, niaraka tamin’ny namany telolahy no niray tsikombakomba nandroba ity vola ity. Ity mpamily ity, niaraka tamina ramatoa iray tompon’andraikitra ao amin’ilay orinasa no niaraka tamin’io talata io rehefa voairaka hanatitra ilay vola. Nony tonga teo amin’ny tetezana voalohany teo Tanjombato anefa dia ninian’ilay mpamily najanona ilay fiara, ary nanao amboletra niditra tao anatin’izay ny roalahy, izay ankevitry ny efa niandry ny fandalovany fotsiny. Nilaza ireo farany tamin’izay fa hoe mitondra vola sandoka io fiara io ka tsy maintsy entina any amin’ny pôlisy. Tsy nanaiky izany ilay ramatoa ka norahonan’ireo tao anaty fiara. Nentin’izy telolahy nivily lalana ilay fiara ary nariany nony tonga tamina siniben-drano iray teny an-toerana, izay efa nisy namany iray ihany koa niandry teo. Nitsoaka ireto farany, niaraka tamin’ny sakaosy nisy vola taorian’izay, namela ilay ramatoa sy ny fiara teo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ity farany ary nandeha ny fikarohana azy efa-dahy. Tsy niandry ela, fa ny talata lasa teo no voasambotra teny Ampitatafika ilay mpamily. Tamin’ny fanadihadiana azy no niaikeny ny heloka vitany, hoy ny vaovao hatrany. Tamin’izay ihany koa no nanondroany ireo namany telo mpiray tsikombakomba taminy, izay mbola karohina amin’izao fotoana izao raha ny fantatra hatrany. Nadoboka any am-ponja avy hatrany ilay mpamily nangala-bolan’ny orinasa ity, rehefa avy nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana, omaly.
m.L