- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanjombato : Faty nasitrika tao anaty dalle

Tanjombato : Faty nasitrika tao anaty dalle

Hita tao anaty lalan-drano misarona. Nihohoka ny razana ary nipetraka teo amin’ny tratrany ny tanany roa, toa ireny niady aman’aina ireny nialoha ny fahafatesany. Teo Tanjombato no hita io faty io omaly. Tonga ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitra hafa ary dia navoaka ny razana. Teo no nahitàna fa lehilahy izy. Raha ny feo nandeha teo amin’ny manodidina dia mpibatabata entana (dokera) ho an’izay manakarama azy no asany. Nisy fanadihadiana nosokafana mahakasika ity fahitàna olona tsy nisy aina intsony ity. Omaly ihany koa dia samy naka sary izay nandalo hany ka niparitaka be tamin’ny tambajotra sosialy ny fisian’ilay tranga. Mazava hoazy fa ny ao an-tsain’ny olona dia ity fisian’ny olona maty manao rarakopana ity tato ho ato. Tao ny novonoina, ny hita faty amin’ny fomba hafahafa ary koa ny matin’ny fanafihan-jiolahy. Mampihorohoro ny olona hatrany, indrindra eto an-drenivohitra, ny fisian’ny tranga toa izao. Ity tranga tetsy Tanjombato ity rahateo dia mampametram-panontaniana marobe. Marina fa mpibata entana ilay olona ary mety hoe tsy misy trano hipetrahana. Na izany aza anefa tsy ho any anaty tatatra misy rano izy no hatory. Azo heverina arak’izany fa na mety nisy nanary tao ny fatiny rehefa novonoina tany amin’ny toeran-kafa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici