Lehilahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no hita faty natsingevan’ny rano, teny amin’iny faritra Tanjombato iny, ny alarobia lasa teo. Nifatotra avy taoriana ny tànany, ary nahitana dian’antsy teo amin’ny tendany. Raha ny vinavinan’ireo nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana, dia mety ho novonoina izy ity ary natsipy tany anaty rano. Ary tsy vao ny alin’io anefa, raha ny fahitan’ireo mponina azy teny, fa mety ho efa andro vitsivitsy talohan’izany. Efa nanomboka ho simba mantsy ny razana. Ny alarobia mitataovovonana teo no nahitan’ny olona ity lehilahy ity, izay nentin’ny rano. Hatairana ny an’ireo nahatsikaritra, ary avy hatrany dia niantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Nantsoina ihany koa ny mpamonjy voina, izay tonga nisarika ny razana teny an-tanety. Mbola teny amin’ity tovolahy ity avokoa ny fitafiana rehetra. Saingy nahasarika ny mason’ireo mpitazana avy hatrany ny fisian’ny tady tam-balahany, izay namatotra ihany koa ny tànany roa tao an-damosiny. Hita taratra ihany koa, ny fisiana ratra teo amin’ny tendany; izay azo vinavinaina avy hatrany fa, avy tamina zava-maranitra, toy ny antsy. Azo antoka araka izany, fa nisy namono ity lehilahy ity fa tsy hoe maty an-drano akory. Ary tsy teo amin’io faritra io, satria raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana, dia tsy mponina eny amin’iny faritra iny ity lehilahy hita faty ity. Araka izany, mety ho novonoina tany ho any izy ary natsipy tanaty rano avy teo. Taorian’ny fitsirihana ifotony ny zava-nisy, dia nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha ny razana. Fantatra fa mbola tsy nisy naka izany, na nisy havany tonga teny an-toerana, hatramin’ny omaly hariva. Efa nisokatra kosa tetsy andanin’izany, ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L