- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : « Sachet » miendrika bomba, nampisahotaka ny rehetra

Tanjombato : « Sachet » miendrika bomba, nampisahotaka ny rehetra

Miverina indray ny fahiny … Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, nisahotaka ny olona teny amin’iny faritra Tanjombato sy ny manodidina iny, raha nahita fonosan-javatra iray, misy korontana tariby mivoaka ety ivelany, natao tsara petraka teo akaikina toeram-pitsaboana iray teny an-toerana. Tsy dia fahita firy teny an-toerana ity zavatra nofonosina “sachet mavomavo” ity. Tetsy andanin’izay ihany koa ny mbola tahotra eo amin’ireo mponina tamin’ilay fipoahana tetsy Mahamasina, ka antony iray nahatonga ireo nahitana nisahotaka avy hatrany, ary nilaza fa “bomba”. Nampandrenesina avy hatrany tompon’andraikitra ary maro ireo mpitandro filaminana nidina avy hatrany teny an-toerana, teo anatrehan’izay, ary anisan’izany ireo manam-pahaizana manokana eo amin’izy ireo amin’ny fikirakirana ireny zavatra mipoaka ireny. “Eo anatrehan’izao tany tsy milamina izao dia tsy manao antsirambina izay vaovao heno mahakasika ny fisiana fampihorohoroana izahay” hoy ny tompon’andraikitra ambony iray amin’ny mpitandro filaminana. “Rehefa nosavaina anefa dia tsy tena bômba araka ny fahitana azy ity fonosan-javatra ity”. Araka ny fanazavàna azo tokoa mantsy rehefa nojerena akaiky dia zavatra tsy natao hipoaka mihitsy ilay izy. Vato kely, korontana tariby, ary karazana “batterie” efa maty sy taratasy no tao anatiny. Natao tsara fono tao anaty “sachet” ary natao niendrika “bomba” ilay izy. Raha izay no izy dia tranga natao hanakorontana ny saim-bahoaka fotsiny ihany ity zava-niseho tetsy Tanjombato ity. Mbola maro amin’ireo mponina mantsy no mbola “tsy miverin-tsaina” loatra taorian’ilay tranga teny Mahamasina namoizana ain’olona iny. Dia hiverina indray ve ny fahiny amin’ity resaka fanakorontanana amina resaka bômba atsy sy bômba aroa ity. Samy nahatadidy angaha ny rehetra ny zava-niseho taona vitsivitsy lasa izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici