- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTanjombato : Tovolahy vao 17 taona tratra nitondra rongony

Tanjombato : Tovolahy vao 17 taona tratra nitondra rongony

Tovolahy vao 17 taona no voasambotry ny polisin’ny kaomisaria Tanjombato ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy teny amin’ny fokontany Tongarivo no nahatratrarana ilay tovolahy iray mapiahiahy. Niroso tamin’ny fisavana ny mpitandro filaminana ka nahatratrarana fonosana rongony tany aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny birao hanaovana fanadihadiana ary natolotra ny polisy msahana ny zaza tsy ampy taona izy  io. Araka ny fanazavana azo, mitombo izay tsy izy ny isan’ny ankizy mandray zava-mahadomelina amin’izao. Miparitaka isaky ny elakelan-trano ny rongony ary ireo zatovo no tena lasibatra. Nisy fotoana nahatrarana mpianatra maromaro nandray izany teny Faravohitra teny. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny polisy amin’ny ady amin’ny fiparitahan’izy io amin’ny faritra maro. Anisan’ny fototry ny asan-jiolahy ihany koa, satria izy ireny no tena manjifa rongony. Ankoatra ny mpivarotra sy ny mpanaparitaka ireny zava-mahadomelina ireny, mandika lalàna ihany koa ny mandray sy manjifa izany. Mampiditra am-ponja dimy volana hatramin’ny herintaona ny fitazonana sy fandraisana rongony, mbola miampy lamandy ihany koa.

Yv Sam

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici