- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilSociétéAntsirabe : Tanora sahirana miisa 800 hahazo tombotsoa

Antsirabe : Tanora sahirana miisa 800 hahazo tombotsoa

Tanora miisa 800 avy amin’ny distrika Antsirabe voalohany sy Antsirabe faharoa no hahazo tombontsoa manokana avy amin’ny tetikasa J2A  na« Jeunesses Actrices de leur Avenir ». Manodidina ny 13 ka hatramin’ny 29 ny salataonan’ireo tanora ireo izany hoe ao anatin’ny fotoana afahan’izy ireo mivelatra kokoa eo amin’ny sehatry ny asa. Miompana amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa sy ny sehatry ny fandraharana rahateo no tanjon’ny J2A amin’ny alalan’ny fampiofanana ara kasa.

Ny ivotoerana Ivotika  no manampy ireo ankizy ireo amin’ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra izay tantanan’ny ONG I-bira.

Ny Alarobia 24 Aprily lasa teo no notanterahina tao amin’ny Hotel des Thermes ny fampandehanana ny tetikasa.

Marihina fa ny AFD “Agence Française de développement » no mpamatsy vola ity tetikasa ity ny ASMAE « Asssociation des Sœurs Emmanuelle » kosa no manatanteraka.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici