- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Ankizivavy 10 taona nanjavona telo andro, hita faty tao anaty...

Taolagnaro : Ankizivavy 10 taona nanjavona telo andro, hita faty tao anaty rano

 Zazavavy iray 10 taona nokarohin’ny fianakaviany nandritra ny telo andro, nanomboka ny antoandron’ny asabotsy lasa teo, no hita faty nitsinkafona tao anaty rano, afak’omaly, tany amin’ny Kaominina Ampamakiambato, Distrikan’i Taolagnaro. Raha ny vaovao voaray dia nandeha nilalao niaraka taminy namany ity ankizivavy namoy ny ainy ity. Nody kosa ireo namany rehefa avy nilalao, fa ilay zazavavy tsy hita izay nanjavonany ka nikaroka azy ny rainy. Natao ny alanenina rehetra kanefa tsy nahitam-bokany izany. Ny kapan’ilay zaza hita teo amoron-drano no nanaitra ny rehetra, ka nitohy ny fikarohana azy tao anaty rano. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana, dia mbola teny an-kodin’ity zaza hita faty ity avokoa ny fitafiany rehetra. Hatreto, raha ny loharanom-baovao, dia mbola tsy fantatra mazava tsara ny tena antony nahafaty tamin’ny fomba hafahafa io zazavavy kely vao 10 taona io, ka velon’ ahiahy ny fianakaviany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici