- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaom-baovao : Nahatratra 32 ny olona nanaovan’ny polisy fanadihadiana

Taom-baovao : Nahatratra 32 ny olona nanaovan’ny polisy fanadihadiana

Nisehoan’ny tsy fandriam-pahalemana, asan-jiolahy, hatrany teto an-drenivohitra na teo aza ny ezaka nataon’ny polisy tamin’ny fandaminana sy ny fanentanana, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona. Olona 32 no nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy, ny 20 amin’ireo nanaovana famotorana manokana. Nisy enina ny famakiana sy fananihan-trano, dimy ny halatra tsotra, dimy ny halatra moto, 11 ny fanendahana ary roa ny fikasana hanafika. Mazava ho azy fa asan-jiolahy avokoa ireo nanaovan’ny polisy fanadihadiana sy famotorana ireo. Nisy fatin’olona iray ihany koa hita teto an-drenivohitra nandritra ny fety teo. Nisy ihany koa ny fifamaliana niafara tamin’ny fifamonoana izay efa anaovan’ny polisy fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Trano telo no may, ary fiara iray ihany koa nirehitra tamin’izany. Ireo tamin’ny ankapobeny ny raharaha natrehin’ny polisy nandritra ny roa andro nanaovan’ny olona lanonana. Tsy mijanona eo akory ny asan’izy ireo fa mitohy hatrany, indrindra ny fanadihadiana lalina raha misy ny toe-javatra hafahafa toy ilay fifamaliana nitarika tamin’ny fifamononona. Anatin’ny famotorana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Atolotra ny fitsarana ireo olona rehetra mandalo fanadihadiana ka ahiahiana amin’ny asa ratsy. Afaka mody kosa rehefa tsy misy ny ahiahy sy ny teo-javatra mety mamatotra azy.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici