Nanakohako eran’ny tampon-tanàn’Antsaramanga ny tsindrona antsy teo amin’ireo zatovolahy mpirahalahy mpiray tampo ny andron’ny taom-baovao teo iny, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Raha ny angom-vaovao voaray avy any an-toerana hatrany dia namangy nanatitra fitafy sy sakafo tamin’ny vady aman-janaka ny zaodan’izy roa lahy ireo no nampiaka-pofona an’ilay lehilahy iray tompon’ny anabavy. Noraran’ny rahalahiny ity farany tamin’ny teny hoe: olona nifampiteraka ireo, ka rariny sy hitsiny raha hamangy azy ny vadiny. Teo no romotra tamin’ny rahalahiny ity farany ka namoaka ny antsy nisiska teny am-balany rehefa niteny an’izany ny rahalahiny, sady notsatohan’ny tamin’ny antsy tamin’ny fony, ary nitsoaka nandositra ny nahavanon-doza. Taitra tampoko ny olona manodidina rehefa nahita ny vatany nitsirara tamin’ny tany ka nitondra azy nalaky tamin’ny sarety, teny amin’ny » CSB2 Bemokotrà, » saingy efa namoy ny ainy teo am-pahatongavana hatrany ranamana. Nentiny niverina namonjy ny tokantranony ny razana. Nitolo-batana teny amin’ny ben’ny tanàna vaovao ny nahavanon-doza, ary io indray nitondra azy eny amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana.
Ratantely
Fa angaha efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana no efa misy hoe ben’ny tanàna vaovao sahady?
Mpanao gazety ve ilay manoratra?